ILAY HIRANAO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa iny harivariva, mihilana andrefan’eny ny hazavana
dia injao mipololotra ivaiva, anatiko aho ilay hiranao tsy tana.
mampisento olon-drery, lavitr’olo-tiana mitomany
anatin’ny tontolo toa very, lasan’embona vinany.

Kanto manko raha kanto, iny hiranao fikalo
nampihetsika milanto, ilay vatako nimalo
nihaotraotra hampidera, ilay fitia nokobonina
eny nihaotra sao mianjera, ilay fitia safomorina.

Tsinjoko anaty embona zato bikanao lalaiko
mitampody mitamberina, tsy mety maty ao an-tsaiko
fa ny lasana omaly rehetra, dia indro tadidy ankehitrio
tsy nisy foana…nitoetra, fanilom-pitiavana nadio.

Eny iny harivariva iny, mitsotsorika hazavana
rehefa dify lasan’iny, ilay masoandro ka tsy tana
dia injao miakatra anaty alina, ny lasako tsiahy
mitampody mahafanina, maha ketraka fanahy

Ilay hiranao tsy haiko, toka-gadona an-tany
sy ireo teny nolazaiko, fa raha mbola tany koa ny tany
ny fitiavako anao, tokam-po toy ny siny
safononoka aminao, r’ilay malalako tsy misy tsiny.
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Aingam-panahy
1141 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : ZAVOTANY09
Daty : 12/05/2011 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097