ILAY PENINA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa lany sy ritra ny ranomaintin’ity penina
ilay tokana namako, nilazako izay nafenina
d’ireo alahelo maro, nokoboniko tao am-po
tsy nisy nahalala, nosoratany avokoa

Ireo fifaliana niainako, naha-maintso ny tontolo
tsy nahalalako fijaliana, fa fitia tokam-bolo
no noraketina an-tsoratra, notehiriziny ho ahy
novakiako rehefa iny aho, mitady ho resy ka manahy

Izaho ilay kivy reraka, nitsinjo fara vodi-lanitra
nifandao vetivety tamin’ilay malalako hanitra
mameno ny tontoloko rehefa iny aho manirery
izy nanoratra teny kely : azy aho, izy ahy irery

Ireo adiadinay nitarika fisarahana, noraketiny
an-tsoratra ho tsiahy, am-pitsiky ny tarehiny
fa laro ny fiainana ireny, sedra ihany koa
hitsapana hoe hatraiza, ilay fitia ao am-po

Fa mba nisy ihany koa, ny fotoana indraindray
nitokona tsy nanoratra, ity namako hatrizay
rehefa iny aho sendaotra, tsy mahatsindry fo
entanin-katezerana, ka mavesatra ny loha

Tsy fantany intsony izay ho raketina ho tsiahy
ty zaho malahelo ve sa ny fijalian’ny fanahy ?
indro izy mitoetra, tsy mahetsika ambony latabatra
miara ory amiko, gina sina fa mahafantatra

Ny anton’ity ady anaty, maha-sendaotra ahy
fa adim-pitia, matetika alahelo ahiahy
f’ilay tokako iny, lasan-davitra tsy anilako
ka marary aho, tsy maha fantatra ny lalako.

Fa efa maro no nosoratany, pejy maro voatahiry
fa vitsy no namaky, ireo ventso tsy fahita firy
tsy nekeny ho soloina, na printy na solosaina
ny ranomainty nakorisany, fa ventso tsy zaraina

Nefa indrisy fa tsy maintsy, fa ritra ilay ranomainty
namelona azy teo, nandraketana izay tsy tanty
koa indro fa ho soloina, ranonaina vaovao
handrakitra an-tsoratra, izay ady mbola atao.

Tsy ho hariko ianao, r’ilay penina tsy foiko
fa ho velomiko indray, fa nanaiky tsy niova loko
hanoratra ireo fifaliana sy ny sento izay ho diaviko
dia ny tontolom-pitiavako sy ny ampitso ho aviko.

Ireo nofinofiko an’alina, revirevy tsy mbola fantatra
izay tiako ho tontosa, mba ho tontolo tena fatratra
ny ampitso hiarahanay, izay ho diarin’ny fiainako
ho soratanao ry penina sy izay mameno ny fisainako

Ka mifalia ry penina, r’ilay namako tsy mahafoy
fa mbola hiaraka isika, handrafitra ny tantaran’ny fo
ilay nofo kely anaty tratra mitahiry voatsinapy
ho vokisana finoana, hiara-velona tsy ho faty.
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Aingam-panahy
1339 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 18/09/2010 15:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144