You are here: home > Vetso

IMPIRY - MiséVonjy

Azo vakiana?

Impiry moa ianao
Raha tojo ny tsy tiana
No mikasa ny andao
Fa tsy tanty ny fiafiana

Saingy moa fantatrao
Fa any ho any tsy fantatra
Misy maniry ny vintanao
Mitady mafy tsy sasatra ?

Ny anio tadiavina zahana
Ny ampitso mbola tsy hay
Fa lalàna migodana
No sedraina mahamay.

Sokajy : fiainana

Hevitra mandeha

Zozoro (30/08/2010 19:53:45)

Moa misy fomba ahafantatra ny ampitso ?...
Raha fantatra ny ampitso, moa ekena ny androany ?...
...Ny omaly tsy anio...ny anio tsy ampitso...
Ny ho avy ?
Mistery (misitery) ny fiainana.
Ekena aloha ny anio sy ny omaly satria "NISY"

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 30/08/2010
Mpamangy : 588
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA