LAINGA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lainga fotsiny ny hoe, hiezaka aho hangina
Fa ato anatiko ilay feo, mikiakiaka anao ry tiana
Tsy voasakana hampanginina, hanadino ny omaly
Fa injao mitroatra foana, mitomany mampijaly

Raha vao mitamberina, ato an-tsaiko ny endrikao
Ka mitsikafona ‘lay sary, ireo lasa mba natao
Dia mikiry manadino, mati-kambo tsy hahalala
F’ity fo injao mitroatra, miantsoantso hoe malala

Fa sarotra ny manadino, na dia hoe mafy aza
Ny niarahana farany, fa toa voalobo-jaza
Ny fitiavana niainana, hatrizay nosintonina
Dia omeko ihany indray, ‘lay fitia tsy nokobonina

Ireny rehetra ireny, no hilazako fa sarotra
Sy lainga ny hilaza hanadino tsy hiady varotra
Sao mba misy hirika ihany, hiverenana tamin’ny fahiny
Fa sarotra ny mamafa, ireny lasan-tsika ireny

Fa lainga ny hiteny
Ho adinoko ireny
Fitia nifanomezana
Mamy ireny fa tsy nateza
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1174 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 30/08/2010 12:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142