MAHAJANGA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry Mahajanga, tsy ho adinoiko
Na inona hitranga, efa ato am-poko
Fa firy taona aho no nikolo ilay fitia
Raha tsy teo ianao, tsy ho tafara dia.

F’ilay tiako iny, ilay niriako hatrizay
Ny tora-pasikao, nampangotraka, nahamay
‘lay fitiavana tahiry, nokombonina an-tratra
Nosafosafoinao malefaka, k’indro tsy tratra

Niantoraka taminy, niantefa tsy hoe tsy nahy
Fa tojo ilay tiana, niatsampy tsy nanahy
Nibitabitaka tsy tana, falifaly aok’izany
Fa indro anilako eto, ilay niriako hatrany.

Anatin’ny alin’ny nofy, ventsoventso
No valianao tsio-drivotra, nandroaka sento
Ito moron-tsirakao, tototr’olona faly
Tonga fanafody, ho an’ireo mijaly

Ito onjanao hatopatopan-drivotra
Malefaka manamando tsy rototra
An-taona maro ito tora-pasika
Toy ny fitiavako, midadasika

Hanenika ny tenany, hameno ny banga
Fa tiako ianao, tena mamiko ry Mahajanga
Fa tanteraka ny nofy, tsy mba sary ilay niriana
Fa ito anilako eto, ilay efa nantsoiko hoe tiana

Na hody aza aho, hamonjy ilay akany
Hitsinjaka ho faly, atao veloma ny tomany
Fa efa ahy ilay niriako, nanaiky ho malala
Ry Mahajanga ny foko, am-poko ianao tsy miala.
--------
Rohy:
1958 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 07/09/2010 10:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101