MISANDRATR'ANDRO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa mbola indro, tazako misandratra
Ny hazavan’ny maraina antsefatsefa-kazo
Porofon’ny tontolo velona sy sambatra
Rakofan-kiakiaka kalo sy ny vazo

Fa tsapako ihany koa mipololotra mora
Anatin’ny aiko ao tsiahy mieloelo
Endrik’olo-tiana mitsiky moramora
Tsy lasana nandao...mampamelovelo

Ny andro lasanay toy ny tara-bao maraina
Mitondra hazavana... ny foko oriory
Mandrakotra tadidy ‘lay silakin’ny aina
Tsy anilako eto intsony...lasana natory

Fa sambatra eny sambatra ilay olo-tiako iny
Naharesy ny ady mafy hiainan’izay tia
Niaina ny fitiavana izay vokatry ny fony
An-danitra eny izy faly miriaria

F’ity andro izay misandratra holalovako irery
Tontolon’ny miaina velombelom-bolo
F’ izaho izay nilaozany mahatsiaro tena very
Naman-tsentosento...resy manontolo

Fa toy ny hazavana an-tsefatsefa-kazo
Ny fahatsiarovako misandratra tsy maika
Handrakotra ny androko ho avy tsy hiazoazo
Ny endrik’ilay tiako toa vato tsara paika
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1093 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 12/08/2010 12:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106