RAKI-TSAROBIDY (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa na niezaka aza aho, ka nikosoka ny lasa
Namadika mihintsy, ny pejin’ny fiainako
Ireo zava-bita niainana, indro toa mandatsa
Fa kanto sady mamy, tsy takatra fisainana

‘Lay ranomasoko nirotsaka, nofaonao malefaka
Tsy nahatanty ilay safo, nasetrinao ny oroko
Zary lasa tondra-drano, nandrakotra ny tenako
Difotr’hafaliana, ao anatin’ny tontoloko

Fa ny zavatra tsy takatro, nosakanan’ny fisainako
Ireny lasan-tsika ireny, dia zezikin’ny ho aviko
Ka na navadiko aza, izato pejin’ny fiainako
Ny tandidon’ny lasa, raki-tsarobidy ny fanahiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
994 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 05/08/2010 14:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149