You are here: home > Vetso

TANTARA - MiséVonjy

Azo vakiana?

Ringidringitrin’ny fiainana, ‘lay fitia nifanolorana
niaritra adim-piainana, indraindray toa novolena
noresena tamin-tsiky valabalaka hasosorana
nefa dia niaraka ihany nitady famonjena

Rovidrovitr’ny rivotra nitsoka mafy toa tadio
nanilika tahirim-pitiavana voatahiry mitampify
tanaty fo misalasala manaiky resy ny anio
manantena ny ampitso na dia fitiavana manify

Bemiraim-pitiavana no indro fa natambatra
hamerina indray ilay hafanana niainana fahiny
vitrambitrana nalahatra, hantenaina haha-sambatra
ito androm-pahaterana, efa hiainana ankehitriny

Tokotokom-pahatsiarovana, volavolaina ho iray
hatambatambatry ny sento, ho tontolo tsara
vesabesatry ny fiainana nandoro sy nahamay
ny omaly, ny anio, ny ampitso…bokin’ny tantara

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 27/10/2010
Mpamangy : 941
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA