Dina (Moi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry zatovo mitandrema
Tadidio ilay fanenkena
Teo ambony alitara
Niarahana nizara
Ny ho mandrakizay doria
Iara-hikolo ilay fitia

Aza sodoka mankafy ireny aloka mpandalo
Ka mitsiriritra ery irony vorona mikalo
Ny ahy ireo toky izay nomeko
Hajaiko hatrany sy ekeko
Nefa moa raha sanatria
Hitsahinao ilay fitia
Angamba asa izay hanjo
Ireto Fo hisara-droa

Sahiko eto ny milaza
Ary ambarako mazava
Ny ahy ilay foko rehefa tia
Ny hivadika dia sanatria.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1179 1
Mpakafy: mangamaso
Hevitra mandeha
raozigasy ( 19/10/2009 11:21)
marina zany eeeee
mangidy ( 25/03/2010 21:25)
eny wa ry raozy e!!!!
fahamarinana ( 28/03/2010 11:57)
Ka ilay aloka mpandalo
Toa tsy mba mety ho fahavalo
Toa zary mampitsiriritra
Mahay manome fitia tsy mety ritra ...

Mila adino ilay fanekena
Satria lasa mampihenahena
Ny hetraketraky ity fo
Mitady izay tena mahasoa...

Faha (rediredin'ny Faha anio io an !) lol be ! :-)

mangidy ( 28/03/2010 20:36)
Faha, Rediredy hoy indry no soratra navelandry?
Amiko de ho sanatria, ny ankahala tsy itia
Olon- tokana lalaina, ilay natsoiko ho sombiniana,
Nefa moa raha tsy nekena, aleo tsy ifanerena
Fa sao andratra ity foko, manirery motoloko
katrynah ( 17/12/2019 18:09)
Marn zan ry mangidy ann
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Moi
Nampiditra : mangidy
Daty : 14/10/2009 22:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016