Fitiavana mangiana (Moi)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Fitiavako manginaManiry ho anilanao ry tiana
Hokoboniko ato anaty
Inoako fa tsy ho mandra-maty
Hanjary ho nofiko ny hatory
Nahatonga sorisory
Mibahana mameno ny alina
Mampifoha misasakalina
Rehefa ho tonga ny maraina
Injao ilay foko mitaraina
Mitamberina ny ankaso
Indreo fa kotsa indray ny maso
Niezaka aho ny hampitony
Ity fo tsy mety intsony
Koa mifona aho ry Ray
Ianao mpandahatra mahay
Raha toa moa hadisoako
No nitia an-tsokosoko
Dia ilay ventsom-paniriana
Naniry ny hanana olontiana
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
mangidy
Hevitra mandeha
katrynah
(
17/12/2019 17:34)
Ouaoh aleo ny foko hitia mangina