Mpanazary Vaovao (Mpanajary Vaovao)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny tononkalo izay ataoko,
Dia ho anao ry Gasikara.
Hitantarako ireo tsy teliko,
Na ny ratsy na ny tsara.

Ny fitiavana sy ny tontolony,
Ho vetsoko anao ry Gasikara.
Na mamy na mangidy,
Ho reketiko ho tantara.

Fiainana tsara sy ratsy,
Ho tonga fitiavana ray.
Firaisakiana no hery ny gasy,
Manjam-patonga ny mandrakizay.

Izao fifaliako izao,
Ilay Mpanazary vaovao.
Io no anarana salovako,
Io no ambarako aminao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
976 1
Mpakafy: thonny1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mpanajary Vaovao
Nampiditra : thonny1
Daty : 14/01/2016 21:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155