Inay aho (MpiangalyPoezia (Zo Harinirina))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inay aho,Tetsy an-jaridaina
nanarinary dia,
nanalanala voly
fo, saina ngolingoly
...
Dia nianatra hankafia
Ny hankanton' ny voahary,
fitiavan-tsoratsoratra
sy kisarisary
Hany ka toa zary
adino teo ireo sorisory
Inay aho tonitony
...
Raha mbola lasalasa teo
'ty saiko adaladala
No efa vita an-tsary
ilay masonao mijery,
Mifonofono misitery
Nisinda tsy tadidy,
Nanolatra tsy fidy
'lay fo efa torotoro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : MpiangalyPoezia (Zo Harinirina)Nampiditra : MpiangalyPoezia
Daty : 02/04/2026 10:37
