Misy namana (MpiangalyPoezia (Zo Harinirina))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy namanaTsy natao hitoetra, fa natao handalo,
Rehefa dify ny fotoana, olom-pantatra izy sisa
Namana maro, ny tena mamana vitsy an'isa
Izy ilay eo foana, miaro, manarina raha lavo
Namana marina!? Iombonana amin'ny avo
Namana, manala adin-tsaina, sorisory
Namana na manana na tsia, na ory,
Tsy sanatria rehefa misy patsa ihany akory
...
Izy, ilay mahatsiaro fa banga ny ekipa
rehefa tsy eo ialahy,
ny Zoma tsy manifiika, rehefa tsy eo ialahy
Vao maraina dia misioka, éry an-tokotany
Naman'ny tadidy, namana mpiandany
Niarahana nizara ny tsiky sy ny tomany
Naman'ny tsiaro raha sendra alavitra any
Fa tsy oe akory rehefa hindram-bola ihany
Ny tena namana ohatr'izany
...
Mpiangaly Poezia
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - Fitiavana - Embona - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : MpiangalyPoezia (Zo Harinirina)Nampiditra : MpiangalyPoezia
Daty : 02/04/2026 10:20
