You are here: home > Vetso

... Izy ilay niloka ny t - Myh'Andry

Azo vakiana?

...

Izy ilay niloka ny tsy hanary anao n'oviana
Izy ilay nivoady no sady nanao dina
Hoe mandrakizay ny fetra ny dianareo roa

Dia iny ianao nanaiky,
Voajono sy taraiky tsy nihambahamba akory
Taitrany sahady ilay fitiavanao natory.

Babo ianao ka lavo,
Dia navelatrao ho azy ilay tiany sady maminy
Nomenao noviraina tsy mba nasiana tambiny.

Mantsy izy sahy niniana
Hoe tsy mba hanisy fetra ny lalanareo roa
Toky fitaka ny dina fa izao izy niova fo.

Dia teo ianao tavela
Teo ianao nianjera ka nodiodiany adala
Fa azony ilay tiany dia lasana izy niala.

Masiaka akia ny bandy a
Ny bandy tsy misangy amin'ny resa-betaveta
Fa harapany eny daholo izay tratrany rehetra.

K'indry no mila mailo!
Indry no mila mailo sy mafimafy ahodina
Indry no mila hendry tsy ho ataony taingim-bozona

Myh'Andry
2022