Tsy foiko - Kanty
Te hilaza fotsiny aho hoe : „mamiko“
Tena mamiko ianao ry silan’ny fanahiko
Ny hilazako anao dia hoe : „fanala“
Namana tsy manan-tsahala.
Raha ny feon’ny foko no henoiko
Dia mitepo hoe : „tsy foiko“
Tsy foiko mi’tsy ho an’olon-kafa
'Reo fiainantsika rehetra lasa.
Fa fitiavana efa tsara rary
Hatreny Ambohitrandriananahary
Ka mbola hotohizana eny Ankaratra
Sy ny sisa... Tena lafatra!!!
Mombamomba
Mpanoratra : Kanty
Nampiditra : kantyDaty : 05/11/2003
Mpamangy : 4641
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Nofinofy...Ianao
Ahiahy
Ry tiana