You are here: home > Vetso

VONINKAZO SOA (Ho an'i Neny) - Myh'Andry

Azo vakiana?


Neny a!
Hatramin'ny nahalalako karazam-boninkazo
Dia sahiko ny milaza f'ianao no tsara indrindra
Fony aho mbola zaza, nampianatra ahy namindra.
Ianao ilay hany tokana izay tsy mba hitako nalazo

Na taiza koa na taiza rehefa hoe zaridainako
Dia iny foana ianao fa mbola tsinjo teny
Malemilemy paika, malefadefaka fiteny
Manoro izay ho lalako, manaingo ny fiainako

Raozy ianao ka raozy, mamy ianao ka mamy
Indraindray, tena tsapako aho maditra,
Dia mody ianao mibedy, mody ianao masiaka
Nefa efa haiko hoe ny anatinao tomany.

Ireo ditra rehetra vitako, hifonana ry Neny a!
Izaho ilay namalivaly nandika ny anatrao
Ireo teniko nandratra toa nankarary anao
Ho soloiko tambitamby, irery rehetra ireny!

Fa hatramin'ny nahalalako karazam-boninkazo
Dia ianao ilay tena tsara, ianao tsy mba nalazo
Nampianatra ahy hatrany, ianao tsy mba nikoa
Mamiratra hatrany mba ho voninkazo soa!
Neny!

Myh'Andry
11 janoary 2022