raha... (myrai)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba azoko natao
ny niondana eo atratranao
dia ho foana angamba izao
fitsiriritako anao izao
raha mba azoko natao
ny nandray ny tananao
dia notantanako ianao
hitety izao tontolo izao
eny,raha mba azoko natao
ny nanoroka ny molotrao
dia norohako tsy ankiala
katreny amparafara
raha mba azoko natao
ny nanafosafo anao
dia nosafoko tsisy fetra
nyvatanao rehetra
eny raha mba azoko natao
ny niantso anao malala 'zao
dia hosambatra avy atrany
aho raha manonona an' izany
raha mba azoko natao
mantsy ny nitianao
dia notiaviko avy hatrany
nataoko sambatra aok'izany
myrai
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
724 1
Mpakafy: celestinmyrai
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : myrai
Nampiditra : Myrai
Daty : 07/10/2014 15:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154