HAMBO (Nahary Andrianiarivo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMBO


Iniako ny midify tsy hahita anao kanefa...
Mainka toa mihantsy
Ny masoko hatrany ny topi-masonao
Malefaka fiantefa!

Iniako ny mangina tsy hiresaka intsony....
Kanefa ange ry Sena
Tsapako ho mijaly ny fo amam-panahy
Mandrapa-hitako tory!

Iniako ny tsy mihaino ny bitsiky ny saiko
Tsy hamela anao hisintaka!
Ny filafila angamba mbola ho vatrako ihany,
Ny hamela anao tsy ho vitako!

Iniako ny milaza tsy hisakafo intsony...
Raha mbola eo indry!
Nefa aky tsy andriko ny hinanana avokoa
Izay voaloatra ao an-dovia

Iniako ny mandà tsy hifanatrika aminao...
Rehefa injay matory!
Nefa raha mangitsy ny alintsika izao...
Ao moa 'ky mba hafanao a!


NAHARY Andrianiarivo
16 Volamaka 2022
Bitsi-panahy teny an-dalana nody
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
344 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nahary Andrianiarivo
Nampiditra : Nahary Andrianiarivo
Daty : 29/06/2022 15:49
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0333