Zanak'iza? (Nahary Andrianiarivo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanak'iza ireny
Mirenireny ireny?
Mitetitety fiara
Mangataka eny ho eny!

Fa mba zanak'iza ireny
Misakaiza daba-pako?
Mitsidroka maloto
Vao afa-misakafo...!

Fa mba zanak'iza ho'aho ?
Jereo Ty fijaliany,
matoritory foana
Amin'ny làlana iny!

Soa ihany fa tsy votsa!
Mamy ny aina ka iadiny
Izay afaka ivelomany
Amin'iny fiainana iny!
...............................
--------
Rohy:
402 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nahary Andrianiarivo
Nampiditra : Nahary Andrianiarivo
Daty : 23/05/2022 18:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152