You are here: home > Vetso

--miandry...-- - Nali

Azo vakiana?

                               --MIANDRY--

Misy  hazavana  lafatra  
Imasoko eto alohako eto
Misy rahona manafatra
Fa  handalo hono izy  ho eto

Misy aizim-pito angamba
Ambadik'izao tontolo izao
Fa ny olony efa  jamba
Anatiny ao angamba  izaho?

Misy ora iray  izay
Andrasako eto  anio  izao
Misy andro iray indray
Izay vao tonga izy 'ndrao?

Eny,hisentosento ho ahy
Hisento im-polo hisento in-jato
Nefa indro aho  manahy
Ny tànany hiainga hitora-bato!!!!!!

              08-07-03
             Nali
Tsy  azo adika na alain-tahaka  raha  tsy misy alalana  avy amin'ny mpamorona  
nalison1000@yahoo.fr
nalison1000@hotmail.com
zo.andrianalison@laposte.net

Hevitra mandeha

chipie1 (05/07/2005 19:39:30)

oupss ! tsy aleo ve mande raha izany ?

nalison1000 (05/11/2005 17:04:34)

Ie mba omeo naoty e!

Hametraka hevitra

Midira aloha