You are here: home > Vetso

---raha... - Nali

Azo vakiana?

            RAHA.....
Raha niova loko indray  izany volon-danitray
Dia ho faty ve  ny jirony?
F'ilay jiro izy nitondra izany hasambaranay
Diva ho  lany  koa ny  ilony...

Raha  nanerika  ny andro teo  an-tokotaninay
Tsara izany,tena  lafatra
Ity  izaho  izay  manirery ambon'ny farafaranay
Izany  angamba no efa  lahatra

Raha  taraina no nameno ny an-droa tokom-piananay
Toa tsy  ahoany  izany
F'ilay fitia  izay  mba hany  sisa nofinofinay
Ritra.......efa lany!

            20 Juin 2005
            18 h 20 mn
            Nali
Tsy azo  adika na alain-tahaka  raha  tsy  nahazo alalana avy amin'ny  mpanoratra
OMDA

Sokajy : fisarahana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha