Tsy vitan’ny vava be (16-02-2021 18:10) (Nambinina Evariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tototry ny fitia angaha Ramahatalanjona,
No jere-mikipikipy,
Kopahin-tanana mangaringarika ?
Tsy zakan’ny farihy intsony angaha ny ony,
No mitady vato eran’ny lalana ?
Sa efa mby an-tafotrano ny azo,
No asesika hivoaka ny miditra ?
Sao lahy mihevi-tena ho manana ny mahavita taona,
Nefa ny azo zara raha vonji-poritra ihany ;
Na koa mihevitra ho tompon’ny lakana,
Nefa hazo amoron-tevana.
Dinidiniky ny tsy misy atao re ny ahy :
Mahita kely fa tsy mahita be,
Ary fofompofon’ny te-hahazo,
Ka mampanantena ny ho avy mamiratra,
No sady mandavo ny efa tonga nanangana.
Ny viavy soa hono tsy vadin’ny kamo,
Ny viavy tsara tsy ho an’ny mazoto irery,
Fa samy nomena ny tandrify azy hono ny tsirairay,
Ka sady afaka maka no afa-mandray.

Tia jerijery sy tia dinidinika tokoa ianao, andriamatoa,
Ka nahavaka ny tapina sy tsentsina amin’ny haingo.
Nefa toa mitady hizaozao,
Ary mihevi-tena ho fatra-pandinika,
Ka mody manetri-tena amin’ny teny malefaka.
Ny lainga sy ny tehoderaina anie, andriamatoa,
Mitondra ny tsirambin’ny tanany rehefa miditra,
Fa mizaka ny tsy eran’ny ainy rehefa mivoaka e !
Ka sao lahy hanenenana ny vava avoaka.
--------
Rohy:
456 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nambinina Evariste
Nampiditra : Nambing
Daty : 22/12/2025 05:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176