manantena fanafody (NANANDO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitodiha kely fotsiny ry sakaizam-pahalinana,
Te hitafa mora aho hanaisotra ny fahanginana,
Ireo vetsovetsonao na faly na misento, ory!
aza avela hoentin-drivotra fa alefaso hamoha matory.

ny tsy hanoratana intsony? : ny segondra hikimpiana,
tsy hihiratana intsony fa ho am-pasana mangina,
asandrato e! ny talenta, ny antso mba ho ren'ny maro !
ka na dia ho vovoka aza antenaina hisy hahatsiaro.

Raha toa ny tanidrazana no mapanjombona ny tava !
Fa mosarena, mitoloko, toa anaty rahon-dava,
izao re no mba venteso, ho ao an-tsaina ho voatanisa :
Gasikara indray andro any, hasandratsika ho paradisa.

Raha ny havana no miaina anatin'ny masoandro maty !
dia soraty ny antsonao mba hifalian'ny tsy ampy vatsy
ny kantonao no haposahy hisakana ny loza handrapaka
ambarao ny fitia, izay mahasoa no ataovy fikatsaka.

Raha i Dada na i Neny no manganohano adala zanaka,
dia hisalory ny anatrao mba ho ren'ny taranaka
aza avelanao hitsidika ny oram-baratra hihatra,
ndeha hetseho ny peninao hamingana izay ho ratra

Raha toa ny olon-tiana no anaty kotroka mahery
dia bitsiho ny hantanao mba hampitraka manirery
ka ny fo izay mikoriana anaty haizina mikitroka
dia mbola miandry teny mamy hampahita maso ditsoka

ry poeta izay mihinana ny tantely sy tangena
izao no hafatro aminao : miantso aho mba miverena
fohazy ny fanahinao mba tsy ho kivy fa ho tody
mbola misy miandry anao, manantena fanafody

Nanando 17 aprily 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NANANDO
Nampiditra : njaf
Daty : 21/05/2008 07:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093