SATRIA TIA ANAO - NANANDO
Azo vakiana?
hatramin'ny ora nahafantarako ilay anaranao ry aiko
hatramin'ilay nandrenesako fiteny tsotra, nolalaiko
hatramin'ny andro nahitako ny salovanao sariaka
hatramin'ilay fotoana fohy dia toa masoandro nibaliaka
tato am-poko ianao tontolo : fo, fanahy sy fisainana
tato am-poko ka ambarako fa mendrika ny hitarainana
tato am-poko dia izarako izay rehetra mahasambatra
tato am-poko ka iriko ny fontsika raha hitambatra
nefa ry aiko amposahy ny fahatsoranao rehetra
aborahy izay miafina, fadio ny hoe hisetrasetra
raha babonao ny foko tia dia efa babonao tanteraka
raha sanatria hisara-dia : ambarao na dia handreraka
fa mafy tena mafy ho ahy ny tia kanefa tsy heverina
fa mafy tena mafy ho ahy ny ratra izay averimberina
fa mafy tena mafy ho ahy ny tiana nefa tsy amin'ny fo
fa mafy tena mafy ho ahy ka manafaingana ahy ho lo
NANANDO
26/06/2007
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NANANDO
Nampiditra : njafDaty : 04/06/2008
Mpamangy : 996
Mankafy : 0