ADALA (Ndriana RAMAMONJY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
adala hono raha izaho no mandany ny hatanorako am'izany hatao hoe fivavahanavoninkazo vao mitsiry tokony ho haingo ny tanana dia manda fahalalahana
adala hono raha izaho manaiky fandementsaiana
manaiky tsindry hazo lena satry io fivavahana io dia fomba nampiasaina
angejana firenena
ekeko ihany ny adalako
eny adalambavaka aho
adalambavaka aho satry fony lavitra ny Ray
tsaroakao nahantra aho
maizina amiko tety
ka zay nohavariko ho soa fa hoe ampiadana ahy
vao maika nampahory fo
nety niadana ara-nofo fa nijaly tampanahy
satria tsy tao lay Ray tsitoha
Ny vatako ihany no tety fa ny aiko tao andavaka
tonga fasana ny foko
ka izany no natnga hy antsoana hoe adalam-bavaka zay nampahery ny finoako
Fa itako ny lalantsara ka izorako hatrany: tonga olon'afaka aho
azoko ny famonjena ka ho tanako eny izany: tena olon-tsambatra aho
Ka na ny hatanorako, na ny fahanterako aza, na ny fiainana any ankoatra
dia ataoko fiainambavaka hanomezako ny laza dera ho an'i Ray mpamboatra
Diniho koa ny fiainanao!
Mba aiza re no hitoeranao e?
Sao kosa lahy mbola ao andavaka
Antsoy Jeso anjaka ao amin'ny fonao
Dia ho finaritra ianao raha hantsoina hoe: " adalam-bavaka"
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
nanau