tsy fahamarinana (Ndriana RAMAMONJY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manenika ny tany ny tsy fahamarinana,
dia lasa ny fisainako hoe
nahoana ny olomarina
no zary mialokaloka anaty fahanginana?

aza gaga isika raha ela vao ho tafarina
nangiana teo ny marina
Dia toa lasa marina ireo zay tsy marina dia mitombo hisa hatrany
ka raha manao ny marina ireo zay mba te hiharina
dia loza no anjarany any ambadika any

mahantra ianao ry taniko
mampangorintsina ahy
mahantra ara nofo saina sy fanahy
ireo mahatra miandry manantena
misarangotra am'izay mety ho famonjena
vonjeo re rey olona fa tena mahonena

fa tsy renareo va izany antsoantso izany
antso mifangaro kiaka sy tomany
nahoana no mangiana ny marina erantany
Rahoana no hisy valiny avy any andanitra any?

Ry sakaiza tiana tonio ny fonao
Fa diso mafy loatra ny antsoantsonao
ka tsy renao intsony lay feo avy any andanitra
maneho aminao ny hevitr'Andriamanitra:

Fa raha ny olona izay natsoana amin'ny anarako,
no havy hanetritena ka hivavaka hoy ny Ray
Vonona hotady koa izany tavako
ka hiala amin'ny ratsy fanaony hatramin'izay
dia hiaino any andanitra aho ka hamela ny helony
indro valiako lay vavaka maminy
tsy foiko izy ireo na dia olo-meloka aza
Ka ho sitraniko koa ny tanininy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1559 2
Mpakafy: havotraniaina - nanau
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ndriana RAMAMONJY
Nampiditra : nanau
Daty : 08/12/2009 00:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134