You are here: home > Vetso

Rediredy...! Eto aho 'za - Ni Erika

Azo vakiana?


   Rediredy...!

Eto aho 'zao mandrevy ka...
Maniraka ambiroa...!
Hamongatra 'reo tsiahy
Sy ny "nisintsika" roa!!
Eto aho 'zao mamovo
Fitia hery miafina....
Di'manezaka mitovo
'Reo mba kely mitsikafona
Na di'mamon-dranomason'
Ny hetraketraky ny sasany...
Di'tsy kivy aho ny hanaraton'
Ny fonao na di'efa lasany....!
Tsia a......sanatria!!!
Aleoko 'zaho no tsisy
Na aza moana koa ny hirako
Toy 'zay ianao mihintsy....
No hoesorina eto anilako...!!!!
.........(...)

Sokajy : embona

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ni Erika


Nampiditra : Ni Erika
Daty : 12/09/2019
Mpamangy : 88
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Vetivety