You are here: home > Vetso

Vetivety - Ni Erika

Vetivety di'nadiva...
'Lay fitia mba nitampify
To'tombatoban-takariva
'Ndray nipy di'indro dify!!!

       Vetivety d'efa rava
       'Lay volam-penomanana
        Nantenaina hanazava,
       'Ty bongom-pahasambarana!

Vetivety di'nikoa..
'Lay voady mandra-maty
Zary lasa ratram-po(...)
Nitampisaka anaty!!!

(...) Indrisy!
Vetivety di'nangaina
'Lay nanantena fahasambarana
Tanam-polo nody maina,
No mba valin-kasasarana
Ô! indrisy vetivety...
Di'nilofika fa resy!!!

Sokajy : fanantenana

Mombamomba

Mpanoratra : Ni Erika

Nampiditra : Ni Erika
Daty : 19/05/2019
Mpamangy : 130
Mankafy : 0
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha