efa sambatra izy... (Nikalo Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa sambatra izy
izay no hany hafatra nomeny ahy aninkeo
nasainy nampitaina
hoe adinoy tanteraka sy esorinao an-tsaina
ny aminy tontolo
fa efa tsara namana no handimby anao hikolo

Tontolo faharoa
aza hisainana intsony..
fa efa anolon-kafa indray no tiany sy tompoiny
tiaviny ay am-po
..koa mirary anao hikatsaka ny soa
ahita izay ho tiavina

hahefa izay tadiavina
eo amin'ny fiainanao
mirary soa ny aty mba hahita vaovao
ho tiavinao indray

fa ny aminy efa fay
efa niaritra ela fandratrana samihafa
ny vono sy ny daroka miampy tafatafa
tam'reo fivavy
koa mendrika ho an'olon-kafa indray fa tsy hiangavy
handohalika sy hifona

ampy izay ny ratra fa navesatra ny dona
nianjady tamin'ny fony
niantraika tamin'ny vatany
fa raha niampy kely dia efa potika sy rapany
tsy nisy ho azy intsony

fa nisy antena kely nampitsetra tany ampony
efa hatry ny ela..
tsy ratsy koa ny saina raha niandry ahy nianjera
fa foana nampitraka
nampionona ny foko rehefa sendra ianao mandratra
....
Dia farany hoe veloma
mirary anao hiova rehefa sendra vaovao
mahaiza maka lesona amin'ny rehetra izay natao
fa ny aminy efa sambatra
mba tsy hilazako ihany fa" tsy misy tonga lafatra"...
--------
Rohy:
971 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nikalo Kanto
Nampiditra : kanto01
Daty : 02/02/2019 08:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099