Fahatsiarovana - Nikalo Kanto
Azo vakiana?
Atsidrin'ny foko ny an' aloko tiana
Ny foko hono mantsy tsy mety mitony
Natsiaro narary fangirifiriana
Ka miaritra jaly misidina ambony
Asetrin'ny foko ,ny saiko tsy mino
Fa lasa nandao ty lay tokan'andraina
Voasarin'ny sento tsy mety hanadino
Fa lefiny anaty na mafy zakaina..
Nilaozan-tsakaiza ka manina irery
Matsiaro ny sangy, ny tosy nania
Koa varina mandinika fatram-pijery
Ny tanta-miangolan'ny mpifakatia
Mitsiriritra, hanantena ny lasa..
Mikiry ny hamelona izay tsy voafafa..
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Nikalo Kanto
Nampiditra : kanto01Daty : 19/05/2018
Mpamangy : 589
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tantaranay roa kelyBabonao poeta
Fitiavana sy soratra
efa sambatra izy...
Tso drano
Embona
tsy hampaninon'azy