Eny malala (Nikalo Tantely)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy malala ilay tsy azo hidifiana,Ilay ora voatendrin’i Ray ao ambony;
Ny mamy aza adino, sy ireo hafaliana,
Fa ny vatako kosa efa tsy eny intsony!
Eny malala, raha ho avy ny androko,
Ka ho vato indray no varavarana hidirako;
Kalokaloy sy antsao re ny hirako,
Mahereza malala f’izay no efa anjarako!
Betsaka ireny ny vita rehetra,
sahan’ny hanoka fitia vao nitsiry;
Vita ny ota sy ny etsetra etsetra.
Tambitamby malefaka maro mpaniry!
Raha sendra alahelo ny fo ao anaty,
Ny hiran’ny fahazazana kaloy;
Fa rehefa tonga ny ora sy daty,
Ny lamba rakofako ampio na soloy!
- Janoary 2024 -
--------
Rohy:
Sokajy :
Marsa 2024
Mpakafy:
LEVASOKA - Djess - Ravelotiana - Viviane03 - Mireille99 - Laurant - Kilanja - Fihary01 - Herilala20 - Tsiry10 - Kaleb20 - Betina2 - Iharilanto - Wellin - FanasinaH - FilamatraN - Olivier35 - SitrakaHR - Herman25 - Fenosoafi - Manampaniry - Nikalo - Lokomainty - Nomena223 - hery - Tahafina
Hevitra mandeha
Fenosoafi
(
21/03/2024 09:09)
Tena mitovy be amin'ny tononkalon'i JJ Rabearivelo izany. JTM ho an'ilay Mpanoratra, hihi! babo be aho!
Nikalo
(
21/03/2024 15:06)
Inona no lohatenin'izany tononkalo izany??
Izany ve ry Fenosoafi! Mitonia ihany aloha e.
Izany ve ry Fenosoafi! Mitonia ihany aloha e.
Fenosoafi
(
23/03/2024 05:48)
Tsy hoe mitovy amin'ny tononkalony hoy aho! Ilay aingam-panahy no tiko lazaina hoe mitovy.
zarasoa34
(
26/03/2024 08:56)
sao dia ilay hoe ; raha ho avy malala ny taona ho diako , any amban'ny tany tsindrian-drangolahy .....
Nikalo
(
26/03/2024 10:32)
Tsy izy io ka! Hirain'i tarika Mahaleo iny dia i Rakoto Frah, i Samoela koa nihira azy tamin'ny 2018 fa tsy izy io ka.
Djess
(
03/04/2024 19:52)
tsara feo be kay izy an
@Nikalo Tantely
@Nikalo Tantely
Nikalo
(
04/04/2024 07:34)
Vao mianatra miantsa aho ko! ezahina eo.
Djess
(
06/04/2024 21:31)
efa izy izany eee
Nikalo
(
08/04/2024 09:56)
Izany i? Misaotra amin'ilay toraka voninkazo