You are here: home > Vetso

TAKAIZIN’NY HAZAVANA R - NIRIAIKO

Azo vakiana?

TAKAIZIN’NY HAZAVANA

Raha mitombo iray ny ranonorana
Nianjady tamin’ny tena
Dia zava-droa loha no miontana
Ny maina sy ny lena.:
Mifaly velonaina
Nahazo toana andraina…
Fa mitombo horohoro ahy
Mihena ny andro ivelomana.

Manantona tsy hay
Ary toa tsy hampihomanana
Ny oran’ny fandraofa
Ny velon-tapitrandro.
Hitoby anaty fasana
Fonosin-damba ho razana
An -tankaizin-kazavan’ ny andro.

Fa tsy hahafoana ny mandihy mitotorebika fa faly
Hihoby anaty trano mifaniry ho tratran-jafy
Mihinana misotro tsy miafy fa mitafy
Toa lavitry ny sento, tomany sy ny jaly.

15 MARTSA 2019

NIRIAIKO

Sokajy : ahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : NIRIAIKO

Nampiditra : zafinirinaj
Daty : 12/03/2020
Mpamangy : 135
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

VADIKO