You are here: home > Vetso

VADIKO - NIRIAIKO

Azo vakiana?

NY VADIKO

Ny vadiko ?
Tiako
Sy malalako :

Anjarako !
Nitsirian-janako.
Hajako ka tanako.
Sanda sady anton’ny fisiako,
Aina sady haingon’ito faniriako.

Namana matoky amin’ny zotran’ny fitiavako
Fa mila ahy ho toky sy ho sarotron’ny fitiavany.
Hany mahazaka ahy ho sandan’ny finiavany
Tena aim-panahy ho ahy sady tena ilako.

Toky sady anton-kasambarako:
Fitia sady sompitra iray ivalamparako.
Laingom-pifaliako,
Amboara nofidiako.

Ny vadiko?
Heriko
Sy adidiko;
Harenako.
No tiako

NIRIAIKO
02 FEB 2018

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : NIRIAIKO

Nampiditra : zafinirinaj
Daty : 12/02/2020
Mpamangy : 368
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TAKAIZIN’NY HAZAVANA R