Babonao (Njaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Babonao

Babonao tokoa aho , tami'ny andro iray miserana
Ka nokaloiko anao daholo, ho tsy misy fahataperana
Na ilay fo miafinafina, manangasanga te hiery
Dia nahajambena ny fitiavako , ka niraitra ho fery

Babonao tokoa aho , tamin'ny alina mangina
Ka nandefa vetsovetso toy ny rano mikoriana
Novetsoiko tamin'izany izato bikanao
tinafinafy lambahoany , voninkazo vaovao

Eny Babonao tokoa aho, tami'ny nofinofy maro
Ka nifikitra aminao , ary lasa saro-piaro
Ka na eny andalana eny , n'aiza n'aiza misy anao
Dia loko iray ihany no mba tazako aminao

Tena Babonao tokoa ny foko sy fanahy
Fa hany tsy voalazanao
Dia ny fitiavanao ahy

Njaka (ziak'Art d'Erre)
--------
Rohy:
2270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njaka
Nampiditra : jeroma
Daty : 26/11/2004 09:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138