Mpiandry omby vola vita (Njerarica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa nampianariko ny foko hahay hionona
Mihitsy hanadino fa tsy anjara ny amintsika
Mifona aho ry fitiavako fa ianao no ataoko sorona
Mantsy ianao tsy tompony fa mpiandry omby vola vita

Efa nampianariko ny saiko tsy hanantena
Fa iny olona iny dia efa manan-tompo
Mihitsy tsy sahaza ity foko mahonena
Fa ilay fitiavana natolony ,tsy volamena fa akoso

Efa haiko mantsy raha toa aho ka misisika
Fa handratra izato foko ny fiarahako aminy
Fa raha ho avy hamerin' azy,ilay lasa sy nipitrika
Ataony ahoana moa ny handa ny olo- maminy?

Nefa tsy maninona fa ampiko izy hanakaiky ny olon-tiany
Fa izaho kosa hiezaka hanalavitra ny fony
Ho fitiavako azy farany ,dia ataoko izay iriany
Fa aorian' izay angamba izahay tsy hihaona intsony

Fa iriko izy ho sambatra na aza tsy eto anilako
Hitia ny tena tiany sy ho tiavin' olon-tiany
Hiresaka ny tiany aho mba hitiavany ilay silako
Fa tena tiako loatra raha iny vehivavy iny

Hivavaka amin ' ny Ray aho mba ahazoany fiadanana
Na aza tsy ny tanako no hitantana ny tanany
Iriako ho paradisa sy ho ampok' hasambarana
Ilay rafiko sy mamiko sy ho an izay taranany

Eny e!, ekeko hoe :malahelo aho fa tsy ela io dia hisinda
Ohatr' anao ihany rehefa tena tia
Saingy sarotra amiko raha toa ka hoe: ny hanimba
Fahasambaran ' olon-tiako sy ilay olona nania
(Kanefa tena tiany)

Mihitsy aza ianao toa saika hamono tena
Tsy nahinan-kanina fa tena leo ny miaina
Eny, mihitsy aho te hidera ny fonao volamena
Tsy sasatra nahilika fa mbola nitaraina

Ka soa no horariako amin' ny fiaraha-nareo roa
Tsy arahako alahelo fa ombako ny tso-drano
Mifankatiava tsara , miteraha dia mazaho
Izay ry tiako fa veloma dia...mahorena tokantrano.

Njerarica
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
77 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njerarica
Nampiditra : Njerarica
Daty : 30/03/2024 20:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156