NATIORA (Nofenoina Natiora Nitsimoka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
?NATIORA❤️

?️Eritreri-mamy natopin'ny tadidy;
Saina tonitony lavitra 'reo ngidy,
Fo tsara fitempon'ny mozika tena kanto!
Saha maitso mavana mandoko ny ati-maso[...[
Izany ka natiora

?Alina ravahan'ny kinta-manjopìka!
Farihy iantefan'ny tara-bolana baliaka ;
Feon'ny mpatory andro anaty sasak'alina(...)
Nofy miaina ampoitran'ny torimaso lalina !!!
Ireny ka natiora

?️Embona hafaran'ny orana mifafy .
Tsela-pahavaratra sy kotroka mitrena mafy!?
Sasasasan'izany feon-drano mikoriana ;
Feon'irony vorona anaty ala mangina.
Izany ka natiora

?Ny fo mampitsimoka fitia sy te ho tiana!
Hiakam-pihomehezana ampoitram-pifaliana.
Endrika matroka miloko fahatezerana;
Alahelo mandrotsa-dranomaso tsy hay ferana !!!
Ireny koa natiora!

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
23 Novambra 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Natiora
16 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117