TSIKARITRO (Nofenoina Natiora Nitsimoka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(valin'ilay "ANTSOKOSOKO" Tononkalon'i Zavona Rakoto )Misasak'alina aho no taitra ka mifoha,
Domelina ny loha,mihendratra ny fo.
Lasana vinany ka zary manontany,
Matory izao ianao dia manonofy mamy!
Mitia ny an-tanan'olona?
Ny ao anatiko ao no reko injay mitolona,
eny,mitambolona! saikatra sy reraka,
'lay nofy maminao? tiako raha tanteraka,
Sinaingy aza tsiny fa tsy afaka hefaina!
Mankarary loha sy mankarary saina,
Toa manapitr'aina 'lay vetsom-po lalaina.
Mantsy lasa tsapako mamesatra ny foko,
Nifindra aty anatiko ilay tia an-tsokosoko.
(inay ianao tsy fantatro)
Nofenoina Natiora Nitsimoka 14 Aprily 2026 taonjato faha 21
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
NofenoinaNatiora - ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofenoina Natiora NitsimokaNampiditra : NofenoinaNatiora
Daty : 14/04/2026 07:03
