Ity Vavakay (Nolross)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity vavakay!

Hivavaka aho ho anao
Hivavaka aho ho antsika
Tompo ô! Fantatrao ny ao ampoko ao
Mitady fahendrena hahalala anao kokoa
Ampianaro aho ho ondry tsy hania
Ho mendrika anao satria

Ny fiainanay ety dia voalahatrao
He matoky aho nohon’ny teninao
Fa any andro iray mbola hihaona indray
Ny finoana, ny fanantenana
Nomenao hamonjena anay

Koa asandrato ity vavakay
Henoy ry Tompo ô! izany hiranay
F’izao tontolo izao mila famonjena
Feno haratsiana sy ireo ratsy maro sesehena

K’ekeo ry Tompo ô!
Ity vavakay
Omeo hery aho hanaradia anao
He matoky aho, nohon’ny teninao
Fa ny lalanao fahamarinana
Tanjonao hatramin’izay
Izay zava-tsoa holovainay

Tantano izahay mba hifankatia
Ho sakaizanao doria.

Genève, déc 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1412 1
Mpakafy: Rossignol
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nolross
Nampiditra : Rossignol
Daty : 25/01/2006 14:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163