Aza atao miandry ela (Nolross)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza atao miandry ela.

Nifanaritarika teny
Nifanaraka tsara
Tsy nisy nifampiteny hoe
Andao hizara
Ilay fitia voakolokolo
Fitia tao anaty
Izay mila tsy hotanty

Mety tsy ho fahasahiana
Na fatahorana an’ilay tiana
Na koa fifanajana
Nefa tena fandrika malama
Dia lany andro teny foana
Ka variana sy sondriana
Nanisa andro no hany sisa
Ka ny nofinofy alina
No atao disadisa

Rahoviana ihany izy ity
Rahoviana vao hamboraka fitia
Sa fitia tsy manan-kambo
Matahotra ny ho rendrika
Marofy toy ny sambo
Resin’ny onja mifanejika?

Aza atao mankarary
Mba tsinjovy ny afara
Fa raha ny fo no miandry ela
Indray andro, mety ho diso anjara!

Genève, Juillet 2001
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1141 2
Mpakafy: Rossignol - fiaritiana
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 25/01/2006 19:25)
hum! ankafiziko e!
mahereza!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nolross
Nampiditra : Rossignol
Daty : 25/01/2006 15:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144