Ry Malagasy (nomena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Malagasy
Tomany, kiakiaka, hanoanana
no heno raha vao resahina
ity tanànan'ny Malagasy
tena mampangasiasy
Fahantrana mibahan-toerana
Ny alahelo be miserana
Fanontaniana no mipetraka
Hadalana sa hetraketraka?
Mila tonga saina isika
na matsatso na masiaka
ity fiainana ity
koa diniho àry ity
Ahoreno ny hazon-damosina
Fa aza miandry foana
Ny hotoloram-potsiny
"FA NY EZAKA VITANAO OMALY
MBOLA HIVAINGANA INDRAY ANDRO ANY"
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1210 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : nomena
Nampiditra : nomena
Daty : 14/12/2005 11:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138