NY FARMASIANINA (Np Augustin)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha fanafody no indro lazaina,Dia Farmasianina no tonga ao an-tsaina:
Hainy daholo na fanamboarana na fampiasana,
Izany ka olon' ny fahasalamana.
Izy no miantoka ny kalitao,
An' ireo fanafody vidianao:
Tandremany tsara tsy ataony vazivazy...
Anaty farmasia no ahitan' azy.
Koa aza misalasala rehefa tonga ao,
Fa vonona izy hitafa aminao:
Hanoro sy hanome torohevitra mahasoa,
Rehefa momba ny fanafody dia hainy avokoa.
Ka indro fintiniko ary faritako:
Mpahay fanafody ary tena matianina;
No atao hoe "dokotera farmasianina”.
25/09/23
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahasalamana
