AZA KIVY! (Ntsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray ianao toa kivy
Mandinika ny fiainantsika
Fa ny mamy dia mangidy
Ka mitambatra ho hatsiaka

Manjary lasa rera-dava
Fa tsy ahitana fitsikina
Mipoitra lava eny amin’ny tava
Ny alahelo sy hakiviana

Matok`y fa mbola ho avy
Ilay maraina vaovao
Dia ho tapak’ilay tady
Mibahana ny fiainanao

Ho feno tsikitsiky ny tarehy
Ho miramirana isan’andro
Dia hifaly sy hiomehy
Tsy mba toy ny andavan’andro

Vita mora ny hatao
Tsy mahatsiaro ho sahirana
Fa izaho izay namanao
Manoro anao fa tsy mba kiana

Manana tanjoka sy hery
Ary ny hambom-po maharitra
Ka ianao dia tsy ho irery
Fa eo anilan' ANDRIAMANITRA

Ntsoa (11/03/14)
--------
Rohy:
1505 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ntsoa
Nampiditra : dooox
Daty : 15/03/2014 20:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137