Afoiko (Ny aingam-po)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afoiko ianao malala an, afoiko avelako any,
Ndehana dia aza mierika mijery akory ny amiko,
Monja teny mamiko sisa ataovy an-tsaina...
Dia ataovy toy ny hoe, tantara ny amintsika...
Sary indray mipika ka resin'ny fotoana,
Moa koa zava-poana e! Ka sarotra inoana hoe mandrakizay doria.
Ny tia mifankatia ihany no mahavita izany.
...
Mantsy tamintsika nifanesy ny tomany namafisin'alahelo,
Ka aza gaga ianao raha ravarava teny ny tantarantsika roa.
Tsy hitohy intsony koa, na inona ary vaikany...
Na tiako ary ianao, tsy hisy fiantraikany...
Tsy hare ny antsoantsonko ny sofinao malala a!
.
Na aza mbola tia ity foko adaladala,
Dia navelanao horotiky ny tsiaro sy ny nenina.
Eny e, ny vita tsy hanenenana(...) ny ratsy no harenina
Ny endrikao tsy hoadiniko f'iraikitra ato ampoko...
Fotsiny an! ny fiharahantsika no afoiko.
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
497 1
Mpakafy: Aingam-po
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny aingam-po
Nampiditra : Aingam-po
Daty : 04/07/2019 05:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143