Ny tononkaloko (Ny aingam-po)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tononkaloko nataoko mba hiventso ny fiainako,
Hamoaka ny hafaliako, hamoaka ny tarainako,
Hamefy ny fisainako, hamefy ny ato am-poko,
Hisedra ny adim-piainana raha toa aho ka toloko.
...
Ny tononkaloko no singa hanehoako ny fitiavako,
Hataoko tononkira tsy ho afaka ato am-bavako,
Handrotsirotsy anao anatin’ny alina somamby,
Fotsiny io angola, nolalorin-tambitamby.
......
Ny tononkaloko mirakitra ireo tantara maro,
Mifono hatsarana sy zava-mifangaro,
Miendrika diamondra lafo vidy tsy voasolo,
Fa talenta iray miorina avy amin’ny tontolo.
.......
Kanefa tadidio fa mirehatra finoana,
Mahay mankasitraka ny tompo ao an-danitra,
Teny maro arafitra, io no kaloina,
Io tononkaloko io dia midera an’Andriamanitra

Ny aingam-po
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
655 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny aingam-po
Nampiditra : Aingam-po
Daty : 27/06/2019 20:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093