SEDRA! SETRA! - NY ARY
Azo vakiana?
Sedra angamba no ilazako?
Ilay fitiavako nifoha!
Satria,vao nanomboka namelana
Dia nalazo,ary lo
Sedrasetra ireny...
Setram-pitiavana,setran'olon-tiana
Setran'ny ankaso?
Sedran-dranomaso!
Rahoviana moa, ny fitiavana?
No tsy arahin-dranomaso?
Sy arahin-tabataba?
Rehefa leo mibabababa:
ny sedrasedram-pitiavana?
Setra hoy aho! sedra hoy ianao!
ka na fitiavana niandoha,
na fitiavana naharitra,
Dia aoka atao hoe:
SETRASETRA ny an-kaso
SEDRASEDRAM-PITIAVANA