Commentaire à propos de Ny antom-pisiako

Revenir à Ny antom-pisiako
totty ( 17/06/2005 19:47)
Ny eja tena mahavariana ny zava-bitanao,tiako tena tiako ny tononkalo izay soratanao,ohatran ny azo sary an-tsaina ny tianao ho lazaina amin'ilay tononkalo,tsara fa tohizo
nyeja ( 19/06/2005 12:03)
totty a misaotra fa dia faly be aho amin'ireo teny fampaherezana sy noho ny fanokananao fotoana namaky ny sangan'asako maro teto .
ny eja namanao
rapisoukely ( 11/07/2005 14:27)
Misaotra Ny eja a, mambabo fo e
nyeja ( 12/07/2005 11:36)
misaotra akia an
vetsoko ( 30/07/2005 17:10)
tokako iny
sady aiko.
Anton\'ny fisiko,
fifalian\'ny saiko

raha ianao no tsy nisy
dia tsy nifoha ny fitiavako
tsy nitia mihintsy mihintsy
fa nizotra t@ lalako
lala-maizina mikitroka
feno vovoka manditsoka

soa ianao fa teo
raha tsy izay nankaleo
ny mifoha isa-maraina
toka-tena miady saina

soa ianao fa nisy
sady tsy mba mankalao
saingy maro fa tsy vitsy
ny mitsiriritra anao

...Tsoa

(vetsoko)
nyeja ( 01/08/2005 06:28)
mankasitraka ry tsoa a tena tsara be ny setrin'ilay tononkalo, fanontaniana kely manitikitika ahy, teo ampamakiana io tononkalo io ve no nanosika anao hanoratra avy hatrany sa taty aoriana kely ?
ny eja
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0094