You are here: home > Vetso

Ilay tovovavy nofy - Ny feon'ny fanantenana

Azo vakiana?

Afak'afaka aho mahita
Tovovavy iray
Izay tena tsara bika
tsy misy mahasolo azy izay

Ny endriny sariaka
Ravahan'ilay volony goragora
Toa masoandro mibaliaka
ilay fitsikiny miantefa moramora

Tsy iza kory izay
Fa ilay tovovavy tao anaty nofiko tao
Izy ilay niriko ho ahy
Indrisy nofy no azo atao

Nefa izaho manantena
Fa mbola ahita ny toa azy
Hiaraka elaela
Dia ataoko ho vady mariazy

Mbola nofy iany nefa izany
nofy tsy mba ho toa
eny nofy hatrany htrany
mbola nofy tsy hamoha

Fa ny afon'ny fanantenako tsy ho faty
fa ho velona mandrakizay
Ho velona fona ato anty
Ahita ilay tovovavy iaray

Afak'afaka aho mahita
Tovovavy iray
Izay tena tsara bika
tsy misy mahasolo azy izay

Sokajy : nofy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ny feon'ny fanantenana

Nampiditra : Rado Haingon'ny vozona
Daty : 23/02/2021
Mpamangy : 72
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Masoandro