You are here: home > Vetso

Masoandro - Ny feon'ny fanantenana

Ilay masoandrom-piainantsika
Nantenaiko hibaliaka
Toa nanjavona tsy hita
zary toa tantara sisa

Fa ny foko izay nijaly
sy nirotsaka tomany
fijaliana eto an-tany
hakiviana toa tsy lany

nefa any indray andro any
mbola hisava ny tomany
ka ho volana baliaka
ilay  masoandrom-piainantsika

dia lasa ianao nandao
lasa ianao fa lao
nahita ny any ho any
dia adinonao ny akany

fa hoy aho hoe...
mahità ny soa
dia mahità ny tsara
mba hajao izay tiana
aza ampijaliana

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ny feon'ny fanantenana

Nampiditra : Rado Haingon'ny vozona
Daty : 23/02/2021
Mpamangy : 66
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ilay tovovavy nofy