DADANY (NY IRAKA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DADANY

Miasa i Dadanao ?
Tena ekeko izany !
Fa mba fantatrao ve ny tranga iainany any ?
Tsarovy sombinaiko !

Kitapo kely iny no entiny am-babena;
Sakafony am-piasana !
Tsy misy laoka "hena"
Fa anana tsotsotra
izany no mahatonga ny hoe
Miasa ihany i Dada fa tsy mety ho botrabotra !

Ny akanjo anaovany any
Tsy mahasedra hatsiaka !
Iaretana ny latsa,zakaina levilevy;
Ny ora hisakafoanana, segodra sy minitra:
Tsy misy hakana aina !
Ianao korana aty, mitaba sy mikiaka
I Dada ary misento dia lasalasa saina !

Ny olana ao an-trano, ny vola mbola andrasana!
Ny asa toa manatitra eo am-baravaram-pasana,
Loza manodidina !
Tsy mahalala vizana fa apetraka sy atsangana,
Akarina dia midina .

Izany anie ilay Dada e !
Sao tsy fantatrao;
Olana hafa mihitsy no atrehany any izao.

Raha sendra ny andronao hoe mandalo tsy fisiana,
Aza i Dada foana no dia homena tsiny
Hoe : "tsy mivaky loha,tsy miahy Zanaka
Na tsy mikarakara ny fiainan'ny taranaka !"
Fa i Dada tena miady ao anaty fijaliana.
Miady i Dada retsy a !
Tsy tiany ho raradraraka ny vidin-katsembohany,
Kanefa sendra foana,
Lehibe mpanambaka, Lehibe fetsifetsy !

Ianao aty milamina, voky dia matory
Ny azy izao na rano aza, tsy sotroiny akory,
Tsy manana fotoana !
Ny any am-piasana tsy toy ny aty an-trano
Fa rotoroto foana, miampy gidragidra:
Misento dia sorena, avy eo manganohano...

Raha vao ny olanao no henony tenenina ,
Mitotototo mihitsy izy no sady miala nenina;
Fa izay aloha no tratrany !
Ka aza korontanina amin'ny fanomezan-tsiny
Fa miampy indray ny ratrany !!!

NY IRAKA RAMBOLAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana - fiainana
1252 2
Mpakafy: kiala.andria - nirrt
Hevitra mandeha
henuka ( 13/03/2019 11:15)
tena tiako ity tononkalo ity ry Ny Iraka R
kiala.andria ( 13/03/2019 12:22)
ity ny lien ahitanao azy ao amin'ny youtube
https://www.youtube.com/watch?v=j1BdPgNFYSk
henuka ( 14/03/2019 10:16)
voaray fa misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY IRAKA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : kiala.andria
Daty : 13/03/2019 09:50
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105