KAJIKAJY - NY IRAKA RAMBOLAMANANA
KAJIKAJY
Telo ampahefatry ny vola miditra ato
No kajy hasarantsika ny fiainan-jaza mianatra;
Zanaka mahay sy mba hendry no filamatra:
Io asako io ihany no enga anie tsy hiato !
Aleo ny ankizy hanorina ny fiainany any aoriana
Mba hisy antotam-bola hobataina sy hampirimina
Hahazoany izay hiriany, na inona na inona:
Adidintsika izany fa isika no niaviany !
Raha vola lanin-janaka,isika tsy manisa;
Sakano tsy hivarina any anaty hadalana
Fa tsy izay resa-bola no hitetezam-pahotana:
"Namana aza ireny,nandaniana an-tapitrisa..."
Roa am-pahatelon'ny vola hiditra ato
No hitaizana zaza rehefa ato ho ato !!!
NY IRAKA RAMBOLAMANANA
Oktobra 2017- #ANKARAOBATO
Sokajy :
fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : NY IRAKA RAMBOLAMANANA

Nampiditra : kiala.andria
Daty : 13/03/2019
Mpamangy : 552
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
DADANYNY ANKIZINTSIKA